<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P. Nilsen-Lund</author>
<hymn_number>61</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tany Betlehema fahiny
 Nisy Zaza teraka ;
 Tonga toy ny mpivahiny,
 Nefa tena Zanaka,
 Izy no Jesosinay,
 Ka mba raiso ho anao !

[V2]
 Ao ny lapa feno haja
 Nisy Azy fahizay ;
 Saotra, dera aman-daza
 Teo anatrehan-dRay,
 Izany no nilaozany
 Hamonjena ny atý.

[V3]
 Zaza tsy nanota izy,
 Nefa Zaza toa anao ;
 Koa raisinao rankizy,
 Mba ho tena havanao ;
 Ary mba arahonao
 Izay fanaony hitanao !

[V4]
 Raha hianao tomany,
 Izy hampangina anao,
 Izy koa hampahamamy
 Izay fifalianao ;
 Matokia Hianao,
 Izy no Sakaizanao !

[V5]
 Nefa mba henoy, ry zaza !
 Ao an-danitra Izy izao,
 Fa ho avy indray hitsara
 An'izao tontolo izao ;
 Koa mba fidionao
 Izy ho Mpamonjinao !</lyrics>
<title>Tany Betlehema fahiny FFPM61</title>
</song>